Tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana manome fanabeazana tsara kalitao sy mendrika ho an'ny zaza malagasy. Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny EPP Manara-penitra Iavoloha. Efa tamin'ny taona 1956 no nisy ny EPP Iavoloha ary izao vao nahazo fotodrafitrasa vaovao tanteraka izao indray. Mahazaka mpianatra hatramin’ny 600 ity sekoly ity ary toy ireo sekoly manara-penitra manerana ny Nosy dia ahitana ireo fitaovam-pianarana ara-haitao ara-kajy mirindra toy ny "tableau interactif" sy ireo "tablettes numériques" ary eo ihany koa ireo boky fampianarana vaovao entina hanatsarana ny fanabezana ireo ankizy.Sekoly manara-penitra 12 izay ahitana efitrano fianarana 12 hatramin’ny 24 hatreto no efa notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina ary mbola misy ihany koa ireo an-dalam-panorenena. Ankoatra izay dia efitrano fianarana mahatra 8.019 no efa naorin’ny fitondram-panjakana manerana an’i Madagasikara hatramin’ny nitantanan’ny Filoha Andry Rajoelina ny firenena ary nahafahana nampiditra an-tsekoly mpianatra miisa 200.000 izany.Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena - Ofisialy