Actualités > FANAMBARANA OFISIALY

FANAMBARANA OFISIALY


Manoloana ireo vaovao maro samihafa izay iniana aparitaka eto amin’ny tambajotra sosialy, dia manao izao fanambarana izao ny avy ato amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.Tsy marina velively ny filazana fa misy amin’ireo mpianatra izay nanao fihetsiketsehana teny an-dalambe dia notazonina vonjimaika kanefa tsy noraisin’ny Mpandraharahan’ny Fonja.Tsara ny mitondra fanazavana toy izao manaraka izao: misy amin’ireo mpianatra sy olon-tsotra (Mpiasa) efa nohafahana avokoa, ary misy ihany koa amin’izy ireo no eo ambany ny fanaraha-mason’ny Fitsarana, araka ny fepetra ara-dalàna mifehy izany.Marihina kosa anefa fa ireo olona voarohirohy tamin’ny fandrobana sy fandoroana fananan’olona dia melohin'ny lalàna velona eto amin’ny Firenena, ka noraisina ny fepetra hentitra ho azy ireo, ary notazonina vonjimaika any am-ponja izy ireo amin’izao fotoana izao, fa tsy araka ny vaovao izay iniana ahely fa "Mpianatra" ireo voatazona vonjimaika ireo.Manentana hatrany ny Ministeran’ny Fitsarana ho an'ny olom-pirenena rehetra mba tsy ho mora mino na hizara tsaho aparitaka amin’ny tambajotra sosialy, fa hiankina amin’ny vaovao ofisialy sy marina hatrany.Izany no antoka hampanjakana ny fitoniana sy ny filaminana eto amin’ny Tany sy ny Firenena.Natao teto Antananarivo, ny 9 Oktobra 2025

FANAMBARANA OFISIALY
Publie le 09/10/2025 Par 451512 Categorie: Actualités