Actualités > FAMPAHAFANTARANA OFISIALY

FAMPAHAFANTARANA OFISIALY


Hampafantarina isika fa niato vonjimaika ny pejy “Présidence de la Refondation de la République”. Eo am-panaovana ny dingana ara-teknika rehetra amin’izao fotoana izao ny teknisianina mba ahafahana mamerina izany ao anatin’ny fotoana fohy.Izao toe-draharaha izao dia mbola ao anatin’ny fikasana ratsy, finiavana hanimba ny asa fanavaozana. Eo anatrehan’izany, dia mijoro ho hentitra sy manolo-tena tanteraka izahay amin’ny fanohoizana ny adidy sy ny andraikitra ho an’ny vahoaka malagasy.Mandritra ny fotoana fanarenana izany, dia ny pejin’ny 𝗧𝗩𝗠 no hampitana ny vaovao ofisialy rehetra avy amin’ny PRRM.Ity fampahafantarana ity dia natao hisian’ny fahitsiana sy ny mangarahara hatrany eo amin’ny vahoaka sy ny fanjakana.

FAMPAHAFANTARANA OFISIALY
Publie le 23/10/2025 Par 451512 Categorie: Actualités