𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐[𝑭𝒂𝒉𝒂-28 𝒐𝒌𝒕𝒐𝒃𝒓𝒂 2025]Notanterahina androany, teto amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny Filankevitry ny Governemanta voalohany notarihin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, taorian’ny fanendrena ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Governemantan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.Ity fivoriana ity no manamarika ny fanombohan’ny asa iombonan’ny governemanta vaovao, ho fampiharana ny toromarika sy ny vina napetraka ho an’ny fanarenana haingana sy fampandrosoana ny firenena. Tamin’izany no nanomezan’ny Praiminisitra toromarika mikasika ireo toetra tokony hananan’ireo Minisitra rehetra ao anatin’ity asa fanompoana masina ity. Voalohany amin’izany ny fananganana fanjakana marina, mahomby ary manompo ny vahoaka. Manaraka izany, dia ny fitondrana vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny ezaka rehetra atao mba hahamafy orina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Ary ny farany kosa, dia ny fametrahana fitantanana vaovao mampiaina ny fahitsiana sy ny fahendrena, ny fahamatorana sy ny fahaiza-manao, ary ny tamberin’andraikitra sy ny mangarahara.Teo am-pamaranana dia nohamafisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, fa ny asa izay hotanterahina dia dingana mizotra mankany amin’ny lala-mazava hitarika any amin’ny fanavaozana marina, ao anatin’ny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana, izay soatoavina fototra miisa telo efa nosoritany hananganana indray an’i Madagasikara. Ao amin’ny fahamatorana sy ny asa iombonana hoy izy, no hananganantsika indray ny hasin’ny firenena.Ny Serasera