Actualités > 30 OKTOBRA 2025 | FANARAHA-MASO NY FI...

30 OKTOBRA 2025 | FANARAHA-MASO NY FIVOARAN' NY ASA, JIRAMA AMBOHIMANAMBOLA

Tao aorian’ny fanolorana ireo fitaovana ahafahana manamboatra ireo milina miisa 3 simba amin'ireo efatra mpamokatra herinaratra eo anivon’ny JIRAMA Ambohimanambola, dia tonga nanaraka ny fivoaharan’ny asa fanamboarana ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry, Mpanolotsaina Avon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Nisy ny dinika nifanaovany tamin’Andriamatoa RALITERA Ny Ando Jurice, Minisitry ny Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures sy ny Tale Jeneralin'ny Jirama ofisialy, Andriamatoa Ron Weiss ary ireo teknisiana, mahakasika ny vahaolana momba ny herinaratra eto Antananarivo fa ihany koa eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso sy Vontovorona.Raha tsiahivina dia 30 MW ny tsy fahampiana amin'ny herinaratra ilain'Antananarivo. Ao aorian'ny fanamboarana ireo milina, hiampy 20 MW ny famokarana ary hihena ny fahatapahan-jiro raha ny nambaran’ ny teknisiana.Marihina fa novidiana teto an-toerana avokoa ary tsy nilana fanafarana ireo fitaovana, izay mitentina 3,3 Miliara Ariary, hahafahana manamboatra ireo milina ireo.

30 OKTOBRA 2025 | FANARAHA-MASO NY FIVOARAN' NY ASA, JIRAMA AMBOHIMANAMBOLA
30 OKTOBRA 2025 | FANARAHA-MASO NY FIVOARAN' NY ASA, JIRAMA AMBOHIMANAMBOLA
30 OKTOBRA 2025 | FANARAHA-MASO NY FIVOARAN' NY ASA, JIRAMA AMBOHIMANAMBOLA
30 OKTOBRA 2025 | FANARAHA-MASO NY FIVOARAN' NY ASA, JIRAMA AMBOHIMANAMBOLA
30 OKTOBRA 2025 | FANARAHA-MASO NY FIVOARAN' NY ASA, JIRAMA AMBOHIMANAMBOLA
Publie le 31/10/2025 Par 451512 Categorie: Actualités