Actualités > FANABEAZANA SKOTO

FANABEAZANA SKOTO


Nanatrika ny fanokafana ny taom-piasana Mpanazava sy Tily eto Madagasikara - Faritra Analamanga Atsinanana i GASCAR Fenosoa mivady.Tontosa tetsy amin’ny Fiangonana FJKM ISOAVINA Ambanitsena ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fotoam-piasana ho an’ny Fikambanana TILY ETO MADAGASIKARA Faritra Analamanga Atsinanana.Nanotrona ny fotoam-pivavahana natao teny an-toerana i GASCAR Fenosoa mivady amin’ny maha samy mpikambana eo anivon’ny Fikambanana azy ireo.Soatoavina voizin’ny fanabeazana skoto ny fikendrena ireo zaza sy ny tanora 𝒉𝒐 𝒕𝒊𝒂 𝒂𝒏’𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂, 𝒉𝒐 𝒕𝒊𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒇𝒂, 𝒂𝒓𝒚 𝒉𝒐 𝒕𝒊𝒂 𝒏𝒚 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒚 araka ny nambaran’i GASCAR Fenosoa nandritra ny fandraisam-pitenenana fohy natao satria 𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 ho an’ny firenena ny fananana 𝐨𝐥𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐭𝐢𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐲.Nitondra anatranatra ho an’ireo skoto zandry sy nankahery ireo Ray aman-dReny amin’ny fanabeazana ary niantso ireo skoto tranainy mba hanohana hatrany ny Fikambanana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina noho ny fahatsapàny fa ireo zandry ireo no ho tompon’andraikitra eto anivon’ny Firenena ao aoriana ka tsy maintsy hiarahana misalahy ny fanabeazana azy ireo ho tonga olom-banona.

FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
FANABEAZANA SKOTO
Publie le 10/11/2025 Par 451512 Categorie: Actualités