Tafiditra amin'ny fanatanterahana hatrany ny vinan'Andriamatoa Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA Andry Rajoelina amin'ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka, dia mitohy hatrany ihany koa ny fampitaovana ireo Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ho enti-manatsara ny tolotra avy amin'ny Televiziona nasionaly sy ny Radiom-pirenena isam-paritra eto Madagasikara.Taorian'ireo Fitaleavam-paritra vitsivitsy izay vao avy novatsiana fitaovana vao tsy ela, dia tonga nanolotra fampitaovana momba ny haino aman-jery ho an'ny Fitaleavam-paritra ao VATOVAVY ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna Mara Donna, izay Ministra mpiahy iny Faritra iny, ny fiandohan'ity herinandro ity.Natao izao mba hahafahan'ny olom-pirenena misitraka ireo vaovao samihafa miresaka ny zava-misy momba ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara, sy ireo ezaka eny anivon'ny faritra ary ireo vaovao eny ifotony.Fotoana ihany koa nanararaotan-dRamatoa Ministra nanao dinidinika ho fanatsarana hatrany ny fisitrahan'ny vahoaka ny vaovao, ary koa fifanakalozan-kevitra mivantana tamin'ireo mpiasa ao an-toerana notarihin'ny Talem- paritra RASOLOFOMANANA Jean Théodore, mba ho fijerena manokana ny maha olona sy ny tontolon'ny asan'izy ireo.Nohamafisin-dRamatoa Ministra nandritra ity iraka nataony ity ihany koa fa hisitraka fananganana tranoben'ny Kolontsaina sy ny Serasera tsy ho ela ihany koa i Mananjary amin'ny maha renivohitry ny Faritra Vatovavy azy, ankoatra ny hanavaozana maika ny "pylône" izay efa tranainy.