Actualitรฉs > FAMPIROBOROBOANA NY VAKY BOKY HO AN'...

FAMPIROBOROBOANA NY VAKY BOKY HO AN' NY DAHOLO BE

Manohy ny asa fampiroboroboana ny vaky boky ho an'ny daholobe (promotion de la lecture publique) ny Minisiteran'ny Serasera sy Kolontsaina amin'ny alalan'ireo ๐‘ฐ๐’—๐’๐’-๐’•๐’๐’†๐’“๐’‚๐’Ž-๐’‘๐’‚๐’Ž๐’‚๐’Œ๐’Š๐’‚๐’Ž-๐’ƒ๐’๐’Œ๐’š ๐’”๐’š ๐’‡๐’‚๐’๐’†๐’๐’•๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’‚๐’“๐’‚-๐’Œ๐’๐’๐’๐’•๐’๐’“๐’‚๐’๐’š na ๐‘ช๐’†๐’๐’•๐’“๐’† ๐’…๐’† ๐‘ณ๐’†๐’„๐’•๐’–๐’“๐’† ๐’†๐’• ๐’…'๐‘จ๐’๐’Š๐’Ž๐’‚๐’•๐’Š๐’๐’ ๐‘ช๐’–๐’๐’•๐’–๐’“๐’†๐’๐’๐’† (๐‘ช๐‘ณ๐‘จ๐‘ช) izay eo ambany fiahiana mivantan'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM .
Kaomina 27 manerana ny nosy ankehitriny no ahitana CLAC, izay manampy betsaka ny ankizy sy ny tanora amin'ny fandratoana fahalalana. Fiaraha-miasa amin'ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF) sy amin'ireo kaominina ny nananganana sy nampiodinana azy ireo. Miroso amin'ny fanatsarana azy ireny ny minisitera ankehitriny miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka.
Tafiditra indrindra anatin'izany dia nohavaozina ireo fitaovana entina mitantana ireny CLAC ireny ary nohatevenina ny boky fianarana misy ao, ka ny talata 18 martsa 2025 no nanoloran'ny Reprรฉsentation de lโ€™OIF - ocรฉan Indien ireo fitaovana sy boky ireo ny Minisitera.
Fotoana ihany koa ho an-dRamatoa Mara Donna, Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina sy Andriamatoa ๐‘ฎ๐’†๐’๐’“๐’ˆ๐’†๐’” ๐‘ต๐‘จ๐‘ฒ๐‘บ๐‘ฌ๐‘ผ ๐‘ต๐‘ฎ๐‘ผ๐‘ฌ๐‘ญ๐‘จ๐‘ต๐‘ฎ, solontenan'ny OIF miandraikitra an'i Madagasikara nitsidihana ny โ„‚๐•ƒ๐”ธโ„‚ ๐•๐•š๐•ฅ๐•ฃ๐•š๐•Ÿ๐•– eto Ampefiloha.

FAMPIROBOROBOANA NY VAKY BOKY HO AN' NY DAHOLO BE
FAMPIROBOROBOANA NY VAKY BOKY HO AN' NY DAHOLO BE
FAMPIROBOROBOANA NY VAKY BOKY HO AN' NY DAHOLO BE
FAMPIROBOROBOANA NY VAKY BOKY HO AN' NY DAHOLO BE
FAMPIROBOROBOANA NY VAKY BOKY HO AN' NY DAHOLO BE
FAMPIROBOROBOANA NY VAKY BOKY HO AN' NY DAHOLO BE
FAMPIROBOROBOANA NY VAKY BOKY HO AN' NY DAHOLO BE
Publie le 19/03/2025 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs