Hitarika ny delegasiona malagasy handray anjara amin'ny "Madagascar - Dubaï Business Forum" ny 27 sy 28 may 2025 any Dubaï, Emirats Arabo Mitambatra ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Ity fihaonambe ity dia natokana ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy ny Emirats Arabo Mitambatra, indrindra ny fahafahana mampiasa vola amin'ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny teknolojia. Minisitra eo anivon’ny Governemanta sy ireo solontena avy amin'ny sehatra tsy miankina no mandrafitra ny delegasiona malagasy any an-toerana.