Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin'ny Filohan'ny Repoblika ny Masoivoho vaovaon'ny Repoblika Algerianina Demokratika sy Entim-bahoaka, Andriamatoa Miloud Benmakhlouf. Mihamafy orina ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta izay efa manana fifandraisana ara-tantara an-taonany maro. Noresahana nandritra izao fihaonana izao ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fambolena, ny fampianarana ambony, ny angovo sy ny kolontsaina.