Ankoatry ny maha fampiroboroboana ny indostria azy dia azo lazaina ho vakoka miavaka sy azo tsapain-tanana ary isany zava-pisotro manana ny lazany eto Madagasikara sy maneran-tany ny labiera THB.Isany ahafantarana sy mampiavaka an’i Madagasikara ary niaina niaraka tamin'ny tantara izany hoy Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna, omaly nandritra ny lanonana famoahan'ny Orinasa STAR tamin'ny fomba ofisialy ny vokatra "LA BIERE DE L’INDEPENDANCE 2025".