Tsy adinon’Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina sy ny fitondram-panjakana ny faritra VATOVAVY- Distrikan’ny Nosy-Varika.Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ONG TAK tamin’ny alalan’ny Pastora Philibert dia nahazo kilalao avy tamin’Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina ireo ankizy 1000 isa androany tao Nosy-Varika. Tonga nisolotena ny fitondram-panjakana nandritra izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Mara Volamiranty Donna amin'ny sady maha Minisitra mpiahy ny faritra Vatovavy azy.Ankoatra izay dia nahazo ny anjarany koa ireo zokiolona teo an-toerana ho fanomezana lanja ny soatoavina Malagasy amin'ny fanolorana fanomezana ireo Ray aman-dreny ao anatin'ny fankalazana ny faha 65 taona niverenenan'ny Fahaleovantena an'i Madagasikara.Tonga nanotrona ny hetsika avokoa ireo olom-boafidy tarihin’Andriamatoa Depiote Malainkoratsy Jocelyn sy ireo olom-boatendry tarihin’Andriamatoa Lehiben'ny Distrikan'i Nosy-Varika.Eo akaiky ny vahoakan’i Nosy-Varika hatrany ny fitondram-panjakana.Madagasikara tsy maintsy mandroso.