Actualités > IKONGO

IKONGO


Ny 03 Jolay teo no tonga teto Ikongo ny iraka manokan'ny fitondram-panjakana nahitana ny BNGRC, ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Hery Fiarovana sy Filaminana Matatana sy ny Vondrom-pileovana Zandarimariam-pirenena Fitovinany, miampy ny Fitaleavana ny Mponina sy ny Firaisankina Fitovinany, nametraka ny paikady entina miady amin'ny tazomoka aty amin'ity distrika ity, tanjona ny hamongotra izany tanteraka.Mandray antanana tanteraka ny fitondram-panjakana ary maika amin'ny famongorana izany ka ny 03 Jolay io ihany dia efa tafatsangana ary niasa avy hatrany ny Centre opérationnel na ny ivontoeram-pandrindrana ho an'ny Tazomoka ivondronan'ireo rehetra ireo miampy an'ireo solontenam-panjakana tarihin'ny Lehiben'ny Distrika sy ny sampandraharahan'ny fahasalamana aty Ikongo. Avy hatrany dia nanomboka ihany koa ny fidinana ifotony nandraisana antanana maimaim-poana ny vahoaka ara-pahasalamana na marary na tsy marary ahafahana mijery an'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Tazomoka amin'ny alalan'ny dépistage andro faha 4 ity alatsinainy ity, olona 177 no vita fitiliana na dépistés tamin'ny fokontany 3 anatin'ny kaomina 2 dia ny Fokontany Voninkazo ao anatin'ny Kaomina Ikongo, fokontanin'i Mahasoa sy Ambatofotsy centre ao anatin'ny Kaomina Ambatofotsy.129 no positifs na mitondra ny tsimok'aretina izany hoe 73 %ka ny zaza latsaky ny 15 taona no tena mitondra izany izay avy hatrany dia nomena ny fanafody miady @ zany maimaim-poana. Tsikaritra fa ireo marefo ara-pivelomana no tena mora andairan'ilay aretina tazomoka noho ny tsy fahampian'ny hery fiarovana ao aminy araky ny filazan'ny mpitsabo. Isany mampiakatra be an'ity aretina ity ihany koa ny mbola fatahorana hopitaly sy mpitsabo ka ny fitsaboana nentim-paharazana no tena ataon'ny olona ary ny fanarahana ny fomban-drazana indrindra amin'ny fahafatesana izay tsy mandevina raha tsy 3 na 4 andro, farany ny tsy fampiasana lay (moustiquaire) tsotra na ny lay misy odimoka izay tokony hatao tanteraka satria afaka miaro ny rehetra. Nentanina nandritra izay 4 andro voalohany izay ny hialana amin'ireo fahazarana ireo mba hanafainganana ny fahasitranana. Nampiarahina tamin'ny fijerena ny tsifanjariantsakafo ho an'ny ankizy ny fitiliana natao, ka zaza 195 no noraisina antanana ny 29 tamin'ireo no tratran'ny tsifanjariantsakafo mahery vaika na MAS, 36 kosa tratrin'ny tsifanjariantsakafo tsotra na MAM, manome ny salanisa 33%.Tazomoka, tsy mamela ny vahoaka irery ny fanjakana fa manao izay azony atao hiarovana ny rehetra. Maimaim-poana avokoa ny fitsaboana sy ny fanafody ampiasaina eny fa hatramin'ny lay na ny moustiquaire nomena ny rehetra. Loharano : Pejy BNGRC #BNGRC#Mininter

IKONGO
IKONGO
IKONGO
IKONGO
IKONGO
IKONGO
IKONGO
Publie le 08/07/2025 Par 451512 Categorie: Actualités