Actualitรฉs > TAZOMOKA IKONGO

TAZOMOKA IKONGO


๐Œ๐ข๐๐ข๐ง๐š ๐š๐ง-๐ค๐ข๐š๐ง๐ฃ๐š ๐ฆ๐š๐ง๐š๐ฆ๐ฉ๐ฒ ๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ญ๐จ๐ฆ๐ฉ๐จ๐ง'๐š๐ง๐๐ซ๐š๐ข๐ค๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐š๐ง๐ฒ ๐š๐ง-๐ญ๐จ๐ž๐ซ๐š๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐ง'๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐ž๐ง๐ญ๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ž๐ค๐ข๐ฉ๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ž๐ซ๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐’๐ž๐ซ๐š๐ฌ๐ž๐ซ๐š ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐Š๐จ๐ฅ๐จ๐ง๐ญ๐ฌ๐š๐ข๐ง๐š.Misy ny fidinana ifotony iarahana amin'ireo mpitsabo avy amin'ny Mรฉdecins Sans Frontiรจres, eo ihany koa ny mpilatsaka an-tsitrapo ka ny asa atao dia ny fanaovana ilay antsoina hoe " Soin de proximitรฉ", ny fitiliana ny resaka tsy fanjarian-tsakafo, ny fitsaboana manokana ny resaka tazomoka sy ny maro hafa.Raha ny vokatra azo ho an'ny andron'ny 8 jolay manokana izao, olona manodidina ny 150 no nahazo fitsaboana, olona 20 voan'ny tazomoka no noraisina an-tanana, teo ihany ny fahatongavan'ny olona manantona toeram-pitsaboana taorian'ny fanentanana natao.Tanjona napetraka ihany koa ny hanatitra fanampiana ara-pahasalamana akaiky vahoaka amin'ireo toerana sarotra idirana.

TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
Publie le 10/07/2025 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs