๐๐ข๐๐ข๐ง๐ ๐๐ง-๐ค๐ข๐๐ง๐ฃ๐ ๐ฆ๐๐ง๐๐ฆ๐ฉ๐ฒ ๐ข๐ซ๐๐จ ๐ญ๐จ๐ฆ๐ฉ๐จ๐ง'๐๐ง๐๐ซ๐๐ข๐ค๐ข๐ญ๐ซ๐ ๐๐ง๐ฒ ๐๐ง-๐ญ๐จ๐๐ซ๐๐ง๐ ๐๐ฆ๐ข๐ง'๐ง๐ฒ ๐๐๐ง๐๐ง๐ญ๐๐ง๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐๐ค๐ข๐ฉ๐๐ง'๐ง๐ฒ ๐๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐๐ซ๐๐ง'๐ง๐ฒ ๐๐๐ซ๐๐ฌ๐๐ซ๐ ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐๐จ๐ฅ๐จ๐ง๐ญ๐ฌ๐๐ข๐ง๐.Misy ny fidinana ifotony iarahana amin'ireo mpitsabo avy amin'ny Mรฉdecins Sans Frontiรจres, eo ihany koa ny mpilatsaka an-tsitrapo ka ny asa atao dia ny fanaovana ilay antsoina hoe " Soin de proximitรฉ", ny fitiliana ny resaka tsy fanjarian-tsakafo, ny fitsaboana manokana ny resaka tazomoka sy ny maro hafa.Raha ny vokatra azo ho an'ny andron'ny 8 jolay manokana izao, olona manodidina ny 150 no nahazo fitsaboana, olona 20 voan'ny tazomoka no noraisina an-tanana, teo ihany ny fahatongavan'ny olona manantona toeram-pitsaboana taorian'ny fanentanana natao.Tanjona napetraka ihany koa ny hanatitra fanampiana ara-pahasalamana akaiky vahoaka amin'ireo toerana sarotra idirana.
Alatsinainy 2 Martsa 2026