Efa ao antampo-tanànan’i Diego Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina , MARA Volamiranty Donna miaraka amin’ireo mpanaradia azy ary nihaona avy hatrany tamin’ny ekipan’ny fitaleavam-paritry DIANA ny tenany. Miompana amin’ny fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo talem-paritra sy delege 21 any an-toerana no anton-dian’ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina mba ho fanatsarana ny fomba fiasa hampiroboroboana ny maha olona.