Actualités > FIFANINANANA NASIONALY ARA-PANATANJAH...

FIFANINANANA NASIONALY ARA-PANATANJAHANTENA HO AN' NY MPIASAM-PANJAKANA

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 01 aogositra 2025 tao amin’ny Village Touristique Mahajanga ny fifaninanana nasionaly ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana (ASIEF 2025) izay haharitra hatramin’ny 15 Aogositra 2025.Nandray anjara sy nanome voninahitra ny lanonana ny solontenan’ny Minisitera sy Andrim-panjakana rehetra manerana an’i Madagasikara, maneho ny fiombonan’ny mpiasam-panjakana. Isan’izany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa MARA Volamiranty Donna . Ny tanjona lehibe amin’ny ASIEF dia ny hanamafisana ny firahalahiana sy ny fiarahana miasa amin’ny alalan’ny fanatanjahantena, izay manampy amin’ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-batana ary mampivelatra toe-tsaina mifaninana anaty fifankatiavana eo amin’ny samy mpiasam-panjakana.Aza hadinoina ny manaraka ny fandaharana "Miara-mientana" anio Sabotsy 02 Aogositra 2025 amin’ny 6 ora sy 15 minitra hariva, izay hivahinianan-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, MARA Volamiranty Donna, amin'ny Radio Madagasikara  RNM 99.2 MHz sy ny radio tsy miankina maro manerana ny nosy miainga mivantana avy any Mahajanga.

Publie le 04/08/2025 Par 451512 Categorie: Actualités