Fihaonana an-tampon' ny SADC: hisy fandaharana hiresahana izany isan' andro ao amin' ny TVM amin' ny 07 ora sy 25 minitra hariva.Efa ao anatin'ny fandraisana tanteraka ny fihaonana an-tampony faha-45 n'ny SADC isika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.Misy amin'ireo hetsika tafiditra ao anatin'izany no efa mandeha. Mba ahafatarantsika ny vaovao rehetra manodidina izany sy ireo tsara ho fantatra ary ny fandaharam-potoana dia hisy ny fandaharana izay ho arahinao isan'andro amin'ny 07 ora sy 25 minitra hariva ao amin'ny TVM.