Nisokatra androany Alakamisy 14 Aogositra 2025 ny "Bazar de la SADC" eny amin'ny Enara Galleria, Ambodifasina Tsarasaotra. Tranoheva maherin'ny 200 no hita ao amin'ny Enara Galleria ary miisa eo amin'ny 300 ireo mpandraharaha mandray anjara.Tombony ho an'ireo mpanao asa tanana ny fanatanterahana ity hetsika ity ao anatin'izao fandraisana ny fivorian'ny SADC izao. Tsy diso anjara ao anatin'izany ihany koa ny fanehoana ny zava-kanto izay harena mampiavaka ny Malagasy.#SADCMadagascar #SADC2025