Tonga eto amin'ny Seranam-piaramanidina iraisampirenana eto Ivato koa, amin'izao fotoana izao, ny Filohanโny Repoblikanโi Afrika Atsimo, Andriamatoa Cyril Ramaphosa. Nandray azy tamim-panajana ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian. Mampiseho ny firahalahiana misy eo aminโny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filoha Cyril Ramaphosa izany, ary maneho ny finiavanโi Afrika Atsimo hanitatra ny sehatra hampivoarana ny fifandraisana misy eo aminโny firenena roa tonta izao fahatongavany handray anjara aminโny Fihaonana an-tamponโny SADC izao.๐๐ฒ ๐๐๐ซ๐๐ฌ๐๐ซ๐
Alatsinainy 2 Martsa 2026