Mamelombelona ny fitiavan-tanindrazana ao am-pontsika ny fahatsiarovana ny fanolorantena nataon’izy ireo. Ny 06 novambra 2020 raha nitokana ny Rovan’i Madagasikara izay efa lasa lavenona fa natsangana indray, dia nilaza ampahibemaso taminareo aho fa tsy maintsy averina an-tanindrazana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera ary tanteraka izany ankehitriny . Ny tantara tsy fanadino. Filazako matetika ny hoe, raha tiana hazava ny lalana hizorana dia mila fantarina ny tantara niaviana. Tantara tsy hay adinoina ny fikirizana sy ezaka ary fitiavan-tanindrazana nataon’ny Ampanjaka Toera. Toe-tsaina vonona handroso, mifantoka amin'ny fitiavan-tanindrazana, toe-tsaina miady hatramin'ny farany, ho an'ny voninahi-pirenena, izany no toe-tsaina lovaintsika tamin'ny Ampanjaka Toera sy ireo mahery fon’ny firenena. Vao omaly isika no nanolotra mariboninahitra ho an'ireo maherifon’ny fanatanjahantena. Naneho tamin'ny vahoaka tsivakivolo ny Barea fa ao anaty fikirizana sy firaisampo tanteraka no nahatratraran’izy ireo ny tanjona ambony. Nampamiratra sy nampiavaka an’i Madagasikara taty amin'ny Kaontinanta Afrikanina izy ireo. Anio isika eto amin’ity toerana manan-tantara ity, dia mirehareha isika fa nisy Ampanjaka Toera sy ny miaramilany niaro ny firenena niaraka tamin'ny vahoaka be herim-po. Madagasikara mamiratra sy tena misongadina, mandroso sy manana ny toerany eo amin'ny sehatra rehetra no fanamby efa napetraka ary tanjona tsy maintsy ho tratrarina. Hiraikitra ao am-pontsika anie, ny fahatsiarovana ny maherifon’i Madagasikara. Ho ela velona ny fifankatiavan’ny malagasy tsivakivolo, ho ela velona anie Madagasikara."[ Sombiny tamin'ny lahateny mafonja nataon'Andriamatoa Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina androany