Amin'izao fidiran'ny mpianatra izao sy ho fanohanana ireo ankizy mpianatra ao amin’ny EPP Ambatobe dia nanolotra fitaovam-pianarana feno azy ireo ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny androany. Mpianatra marefo avy amin'ny ambaratonga fototra maherin'ny 1 tapitrisa manerana ny Nosy no hisitraka ihany koa fitaovam-pianarana avy amin'ny Fitondram-panjakana. Amin'ity taom-pianarana ity ihany koa, teo ambany fitarihan-dRamatoa Mialy Rajoelina, dia ankizy vavy maherin'ny 180.000 avy amin'ny Faritra 16 no niditra maimaimpoana sy hisitraka vatsim-pianarana eny anivon’ireo CEG iadidian'ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Laharam-pahamehana ho an'ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry Rajoelina ny hanolorana fanabeazana tsara kalitao sy mendrika ho an'ny zaza malagasy.Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena - Ofisialy