Araka ny fanapahan’ny mpikambana ao amin’ny OMC-NAT notarihin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian ny 27 septambra 2025 dia miverina ny fampianarana amin’ireo sekoly rehetra ao amin’ny Ambaratonga KOLEJY sy ny LISEA rehetra ny Alatsinainy faha 29 septambra 2025 ao anatin 'ireo Fari-piadidiam pampianarana manaraka ireto : ANTANANARIVO RENIVOHITRA, ANTANANARIVO ATSIMONDRANO,ANTANANARIVO AVARADRANO, AMBOHIDRATRIMO ary ANTSIRABE. Ny faritra, na distrika tsy voatonona dia mandeha hatrany koa ny fampianarana. Mitohy araka izany ny asa fampianarana rehetra hoan’ny tomponandraikitra rehetra. Miantso antsika rehetra hatrany hanamora ny fifamezivezen’ny mpianatra, ny mpampianatra, ny mpanabe sy ny mpiaramiasa ato amin’ny sehatry ny Fanabeazam-pirenena fa indrindra hitsinjo azy ireo.