Actualitรฉs > AKADEMIA MIARAMILA : FAMOAHANA AMIN'N...

AKADEMIA MIARAMILA : FAMOAHANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO MANAMBONINAHITRA MIISA 85 MIANADAHY NAHAVITA FIOFANANA TEO ANIVON'NY SEKOLY

Notanterahina androany 31 oktobra 2025 tao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe ny lanonana ara-miaramila famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo Manamboninahitra miaramila nahavita ny fiofanana avy amin'ny andiany mivantana faha-46 miisa 65 mianadahy, misalotra ny anarana "๐™๐™–๐™ฏ๐™–๐™›๐™ž๐™ฉ๐™ค๐™ข๐™—๐™ค ๐™‡๐™š๐™ค๐™ฃ ๐™€๐™ซ๐™–๐™ง๐™ž๐™จ๐™ฉ๐™š" sy ny andiany manokana faha-27 miisa 20 mianadahy, izay misalotra ny anarana "๐™ˆ๐™–๐™จ๐™ค๐™–๐™ก๐™ž๐™ฃ๐™–".Nanome voninahitra ny lanona ireo Mpanolotsaina avo efatra mivondrana ao anatin'ny kaomity ambony eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, izay nisolo tena ny Filoham-panjakana, ary notronon'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika sy ny Zandary ary ireo olomanan-kaja Sivily sy Miaramila.Tao anatin'izany indrindra dia natao androany ihany koa ny batemin'ireo andiany mivantana faha-47, izay miisa 62 mianadahy, misalotra ny anarana "๐™‘๐™–๐™จ๐™ž๐™–", sy ny adiany iraisam-piadiana faha-22 miisa 40 mianadahy, mitondra ny anarana "60 ๐™–๐™ฃ๐™ฃ๐™ž๐™ซ๐™š๐™ง๐™จ๐™–๐™ž๐™ง๐™š ๐™™๐™š ๐™ก'๐˜ผ๐™˜๐™–๐™™๐™šฬ๐™ข๐™ž๐™š ๐™ˆ๐™ž๐™ก๐™ž๐™ฉ๐™–๐™ž๐™ง๐™š". Ankoatra izay dia nisy ny fametrahana ny vato-fototra ho fanatsarana ny Sekoly ambony sy fanokanana ny "infirmerie" ao amin'ny Akademia nataon'ireo manam-pahefana ambony, taorian'ny famaranana lanona ara-miaramila, tamin'ny alalan'ny matso. Dรฉpรชche Informative Taratra

AKADEMIA MIARAMILA : FAMOAHANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO MANAMBONINAHITRA MIISA 85 MIANADAHY  NAHAVITA FIOFANANA TEO ANIVON'NY SEKOLY
AKADEMIA MIARAMILA : FAMOAHANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO MANAMBONINAHITRA MIISA 85 MIANADAHY  NAHAVITA FIOFANANA TEO ANIVON'NY SEKOLY
AKADEMIA MIARAMILA : FAMOAHANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO MANAMBONINAHITRA MIISA 85 MIANADAHY  NAHAVITA FIOFANANA TEO ANIVON'NY SEKOLY
AKADEMIA MIARAMILA : FAMOAHANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO MANAMBONINAHITRA MIISA 85 MIANADAHY  NAHAVITA FIOFANANA TEO ANIVON'NY SEKOLY
AKADEMIA MIARAMILA : FAMOAHANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO MANAMBONINAHITRA MIISA 85 MIANADAHY  NAHAVITA FIOFANANA TEO ANIVON'NY SEKOLY
Publie le 03/11/2025 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs