Avant-projet de loi sur l'accès à l' information a caractère publicNifanindran-dalana tamin’ny fakan-kevitra momba ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino aman-jery dia nanomboka androany ihany koa ny 𝗳𝗮𝗸𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗶𝘁𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗮𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻-𝗱𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗳𝗲𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝘇𝗼 𝗵𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝘁𝗼𝗻𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗳𝗶-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮 izay nanasana ireo olom-pirenena, ireo tanora, firaisamonim-pirenena, mpanao gazety, ary fikambanana samihafa.Taorian’ireo fakan-kevitra natao isam-paritra dia nifamotoana tetsy amin’ny efitrano DOX Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM etsy Anosy ireo mpisehatra araka ny fanasana nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny, mba hitondran’izy ireo tolo-kevitra hanitsiana ity volavolan-dalàna efa 𝗻𝗶𝗵𝗮𝗻𝘁𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝟮𝟬𝟬𝟲 ity.Finiavana politika ato anatin’izao fotoan’ny fanavaozana izao no nametrahan’ny minisitera ho laharam-pahamehana ity fakan-kevitra ity, ka tanjona ny hanolorana ny volavolan-dalàna hoentina holaniana eny anivon’ny Antenimierampirenena roa tonta ao anatin’izao fotoam-pivoriana izao.