Actualités > ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY MPIRO...

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY MPIROTSAKA AN-TSITRAPO.

Taorian’ny fiaraha-mientan’ny rehetra nanao diabe niainga avy teo Mahamasina dia vory lanona tetsy amin’ny efitrano HAVORIA Anosy ireo 𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗽𝗼 maro avy amin’ny fikambanana samihafa maherin’ny 60, niara-nanamarika ny andron’ny 5 Desambra natokana ho 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙤 𝙞𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙞𝙧𝙤𝙩𝙨𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖𝙥𝙤.Nitarika ity lanonam-panamarihana ity ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚, notronin'ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena RASAMBANY Alain Désiré, ny filoha mpisolo toerana ny Antenimierampirenena TSARADIA Marco, ary ny Prefen’Antananarivo Renivohitra RAJAFETRA Abraham, ary ny Talen’ny Fampiroboroboana ny firotsahana an-tsitrapo sy ny fiaraha-mientana eo anivon’ny minisitera RAKOTOFIRINGA Ny Kanto Elysa izay tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fikarakarana ny hetsika natao androany.𝐓𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐟𝐢𝐝𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐫𝐨𝐭𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐩𝐨, ary hatramin’ireo Zokiolona maherin’ny 70 taona aza mbola misy ny manao asa soa, saingy 𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐚𝐧’𝐢𝐬𝐚 𝐤𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚 noho ity adidy ity 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒉𝒆𝒓𝒊𝒎-𝒃𝒂𝒕𝒂𝒏𝒂 sy 𝒇𝒊𝒏𝒊𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂 fanampiana ireo mpiray tanindrazana sy ny fiaraha-monina. Tanora maro avy amin’ireo fikambanana samihafa , skoto, fikambanana miahy ny ankizy, fikambanana ara-tsosialy sy ara-pinoana no miara-mientana amin’ny firotsahana an-tsitrapo. Nisolo tena ireo tanora namany maro sy nitondra ny feon’izy ireo RAKOTOMALALA David, mpisehatra eo anivon’ny SAF – FJKM izay nanipika fa 𝙛𝙚𝙣𝙤 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙫𝙤𝙣𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙣𝙮 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙞𝙧𝙤𝙩𝙨𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖𝙥𝙤 toa azy na dia eo aza ireo sedra maro eny am-panatanterahana ny asa firotsahana. Na izany aza, 𝙞𝙡𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 ara-pitaovana sy fanohanana amin’ny endriny samihafa na avy amin’ny Fitondram-panjakana na avy amin’ireo mpiara-miombona antoka isan-karazany, hoy hatrany i David.Tsy ny olom-pirenena malagasy ihany fa hatramin’ireo vahiny koa dia manatevina ny firotsahana an-tsitrapo tahaka ny 𝑭𝒓𝒂𝒏𝒄𝒆 𝑽𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒂𝒊𝒓𝒆𝒔 izay mavitrika amin’ny asa firotsahana, izay mbola nanamafy ny fahavononany hitondra ny anjara birikin’izy ireo, araka ny nampitain’i SARRAZIN Camille solontenan'izy ireo.Satria ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no 𝗺𝗶𝗮𝗵𝘆 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 ny asan’ny firotsahana an-tsitrapo eto Madagasikara araka ny lalàna ka natolotry ny minisitra maimaimpoana (maimaim-poana) ho azon’ireo fikambanana ampiasaina ny efitrano lehibe eo anivon’ny minisitera, mba hanatanterahan’izy ireo asam-pikambanana.Nandritra ity andro fanamarihana ity dia notoloran’ny minisitera mari-pankasitrahana manokana 𝐶𝑒𝑟𝑡𝑖𝑓𝑖𝑐𝑎𝑡 𝑑𝑒 𝑟𝑒𝑐𝑜𝑛𝑛𝑎𝑖𝑠𝑠𝑎𝑛𝑐𝑒 𝑛𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛𝑎𝑙𝑒 ireo 𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗽𝗼 nahavita be nandritra ny taom-piasàna 2025 ho 𝒇𝒂𝒏𝒌𝒂𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒆𝒛𝒂𝒌𝒂 ataon’izy ireo, ho 𝒇𝒂𝒏𝒆𝒉𝒐𝒂𝒎-𝒃𝒐𝒏𝒊𝒏𝒂𝒉𝒊𝒕𝒓𝒂 amin’ny andraikitra lehibe raisin’izy ireo amin’ny fiarahamonina, ary ho 𝒇𝒂𝒏𝒆𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒇𝒂, mba hanao ny asa an-tsitrapo satria araka ny lohahevitra dia "𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏-𝒅𝒂𝒏𝒋𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒕𝒔𝒊𝒓𝒂𝒊𝒓𝒂𝒚"Manana andraikitra lehibe eto Madagasikara ny mpilatsaka an-tsitrapo, izay manampy ny mpiara-belona tokoa.Manao asa mihoatra lavitra noho ny an’ny hafa izy ireo amin’ny sehatra maro, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, raha nampita ny hafatra ho an'ireo mpisehatra, ka tokony hampahafantarina, ary hoderaina ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fiainam-bahoaka sy ny asa ho an’ny Firenena.Namaranana ny hetsika ny fitsidihana ireo tranohevan’ireo fikambanana mpirotsaka an-tsitrapo.

Publie le 08/12/2025 Par 451512 Categorie: Actualités