Actualités > 12 DESAMBRA 2025 | FAMETRAHANA VATOFO...

12 DESAMBRA 2025 | FAMETRAHANA VATOFOTOTRY NY TETIKASA "JIRAMA WATER III - PRIORITAIRE"

Tonga nametraka ny vatofototry ny tetikasa "JIRAMA WATER III - Prioritaire" teny Amoronankona androany Andriamatoa isany, ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry sy ny Kolonely ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika. Tetikasa izay antenaina fa hamaha amin'ny ampahany betsaka ny olana amin'ny famatsian-drano eto Antananarivo.Raha tsiahivina, 300.000m³ isanandro eo ny filàn'ny mponin'Antananarivo amin'ny famatsiana rano. 200.000m³ isanandro eo ihany anefa no vokarin'ny tobim-panodinan-drano avy ao Mandroseza. Hanamaivanana ny tsy fahampian-drano, araka izany, ny fahavitan'ity fotodrafitrasa ity. Araka izany, afaka mamokatra rano 50.000m³ isanandro ka fantson-drano 23km no apetraka mankany amin'ny ilany atsimon'Antananarivo, Iavoloha, sy ny ilany avaratra, Ambohibe sy Analamahitsy hamatsiana ireo fitehirizan-drano vaovao sy ireo efa nisy hatrizay. Ny Vondrona Eoropeanina sy ny Banky Eoropeanina momba ny Fampiasam-bola (BEI) no namatsy vola ny tetikasa izay mitentina 73,3 tapitrisa Euro ka ny 50%-n'io vola io ihany no averina fa ny 50% kosa dia fanomezana. Nambaran'Andriamatoa Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana, ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry tao anatin'ny lahateniny fa zava-dehibe ho an'ny vahoaka izao fotodrafitrasa izao satria dia isan'ny fitakiana nataon'ireo tanora nandritra ny tolona ny hijerena vahaolana mikasika ny olan'ny jiro sy ny rano. Miezaka hatrany ny Fitondram-panjakana hoy hatrany izy, mitondra vahaolana amin'izany. Mbola maro ireo tetikasa hatao sy efa mandeha entina hanamaivanana ny fahasahiranan'ny vahoaka na eo amin'ny jiro izany na ny rano. Tsy ho an'Antananarivo ihany fa efa maro ireo tetikasa efa mandeha ho an'ny any amin'ny faritra.Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM

Publie le 15/12/2025 Par 451512 Categorie: Actualités