Namaly ny fanasana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚, ary nandray anjara ihany koa tamin’ny adihevitra niaraka tamin’ireo vahiny hafa nasaina. Noraisin’ny Minisitera ho zava-dehibe ity hetsika ity noho izy manome sehatra ho an’ny 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒍𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒉𝒐 𝒉𝒆𝒗𝒊𝒕𝒓𝒂 ho an’ny tanora, ary koa noho ny Studio Sifaka dia misehatra amin’ny tontolon’ny serasera. Nanokatra ny lanonana ny lahatenin'ny Sekretera Jeneralin'ny ONG Studio Sifaka, 𝐑𝐀𝐌𝐈𝐒𝐀𝐑𝐈𝐕𝐄𝐋𝐎 𝐇𝐨𝐧𝐨𝐫𝐢𝐧𝐞 izay nampahatsiahy ireo lalana nolalovana tao anatin’izay taona nisiany izay, ary koa nanoritsoritra ny vina amin’ny ho avy.𝗡𝗼𝗺𝗲𝗻𝗮 𝗹𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗸𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮 nandritra ity adihevitra ity, izay nanomezana fitenenana azy ireo 𝒉𝒊𝒕𝒐𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒚 𝒉𝒆𝒗𝒊𝒏𝒚 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂, 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒑𝒐𝒍𝒊𝒕𝒊𝒌𝒂 ary hanehoany ny fomba fijeriny sy 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒔𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑹𝒆𝒑𝒐𝒃𝒍𝒊𝒌𝒂.Nitondra fanentanana teny anelanelan’ny adihevitra ireo Mpanakanto nasaina tahaka an’i Théo Rakotovao, Tsiory H, ary Lemanana.𝐑𝐀𝐓𝐎𝐕𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐎𝐍𝐀 𝐇𝐚𝐫𝐢𝐬𝐨𝐧, Tale Mpanatanteraka eo anivon’ny Studio Sifaka, niaraka tamin’ireo ekipa mpiara-miasa aminy no nikarakara ny hetsika izay natao tetsy amin’ny Tranoben’ny tanora etsy Ankorondrano.