Ny telopolo isanjaton’ireo (30%) zavamananaina misy eto Madagasikara farafahakeliny no kendrena ho voaaro hatramin’ny taona 2030. Io no tanjona iombonana nivoitra nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, notanterahin’ny Lehiben’ny fiarovana ny zavaboary eo anivon’ny Global Wild Conservation, Andriamatoa Russel A. Mittermeier sy ny delgasiaona notarihiny teto amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, androany.Nohamafisin’ny Praiminisitra nandritra ity fihaonana ity fa ambony toerana ny fikajiana ny tontolo iainana, ary lehibe ny fanamby apetraky ny fitondram-panjakana mikasika io sehatra io. Araka izany dia nambarany fa hanaovana ezaka ihany koa ny fisarihana ireo mpitsidika avy any ivelany, amin’ny alalan’ny fisian’ireo biby sy zavamaniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, mba ho fanatsarana ny sehatry ny fizahantany.𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮©️ Primature - Lapan'i Mahazoarivo