Actualités > NOSONIAVIN' NY FILOHA AMERIKANINA NY...

NOSONIAVIN' NY FILOHA AMERIKANINA NY HANITARANA NY FISITRAN' I MADAGASIKARA NY AGOA HATRAMIN' NY 31 DESAMBRA 2026 AFRICAN GROWTH AND OPPORTUNITY ACT


Mitohy mandritra ny herintaona ny fahazoan'i Madagasikara tombontsoa amin'ny 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗱𝗶𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗼𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗯𝗮 eo amin'ny 𝘁𝘀𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗲𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻𝗮. Fanapahan-kevitra nosoniavin’ny Filoham-pirenena amerikana Donald Trump izay mihatra miverina manomboka ny 30 septambra 2025 ka hatramin’ny 31 desambra 2026.Ity fanapahan-kevitra ity dia tafiditra ao anatin’ny fandinihana lalina ataon’ny amerikana mikasika ny hoavin’ny fiaraha-miasa ara-barotra amin’ny kaontinanta afrikana. Safidy maro no resahina amin’izao fotoana izao, anisan’izany ny fanitsiana ny AGOA na ny fametrahana fifanarahana ara-barotra eo amin'ny lafiny roa tonta (accord bilatéral). Ireo lalana ireo dia efa nanaovan'ny Masoivohon’i Madagasikara any Etazonia tarihin’i RAKOTOMALALA Lantosoa ezaka, ary nohamafisina nandritra ny iraka ady sisika natao tany Washington, D.C. ny tapaky ny volana janoary 2026, notarihin’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana ANDRIAMADISON Haingotiana Michela Angèle.Ho an’i Madagasikara, ity fanavaozana ity dia manome fahafahana hanomanana sy hanamafy ny paik'ady, ahafahana miatrika mialoha ireo mety ho fivoarana amin’ny fiaraha-miasa ara-barotra amin’i Etazonia.Amin’izany, dia hisy ny fifampidinihana eo amin’ny sehatra ara-panjakana ato ho ato (dialogue public–public), iarahan’ireo andrim-panjakana nasionaly voakasika sy ireo mpiara-miombona antoka ara-panjakana, mba handinihana ireo fepetra mety horaisina hanohanana ireo sehatra voakasika sy hampifanarahana ny fomba fijery amin’ny dingana manaraka.

NOSONIAVIN' NY FILOHA AMERIKANINA NY HANITARANA NY FISITRAN' I MADAGASIKARA NY AGOA HATRAMIN' NY 31 DESAMBRA 2026 AFRICAN GROWTH AND OPPORTUNITY ACT
Publie le 05/02/2026 Par 451512 Categorie: Actualités