Mbola mitohy ny fikarohana an' i SOANANATA FANAMBINANA JULIEN DERSEN, Chef de service de la Chancellerie diplomatique teo aloha, voarohirohy tamin'ny raharaha fisandohana andraikitra sy fanaovana taratasy fanomezam-dalana hosoka, saika hamoahana tsy ara-dalΓ na volamena milanja 53,7 kg, ny 23 desambra 2024 lasa teo.
Raha misy olona manana vaovao na fanazavana hahafahana mahita azy, dia asaina miantso avy hatrany ny manampahefana akaiky azy indrindra.
ππ¨π¦ππ§π π―ππ₯π’π¬π¨π izay mitondra vaovao ahafahana misambotra sy manasazy anβi Julien Dersen Soananata ary hotandrovana ny tsiambaratelon'ny fanomezam-baovao.
Ankasitrahana ny fiaraha-miasa avy amintsika.