Hivantana amin'ny TVM anio Talata 3 Jona 2025 amin'ny 10 ora sy sasany maraina ny lanonam-panjakana fandraisana an-dRamatoa Natasa Pirc Musar, Filohan'ny Repoblikan'i Slovénie, eny Iavoloha, izay manatanteraka Fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara. Izy no Filoham-pirenena faharoa manatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara tamin'ity taona 2025 ity.