Actualités > FANKALAZANA NY FAHA 65 TAONA NIVERENA...

FANKALAZANA NY FAHA 65 TAONA NIVERENAN' NY FAHALEAOVANTENA SY NIJOROAN' NY FOLOALINDAHY MALAGASY

Vory lanona eto amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny vahoaka malagasy mankalaza ny faha 65 taona niverenan'ny Fahaleovantena sy nijoroan'ny Foloalindahy malagasy. Tonga manatrika ny lanonana ireo Lehiben'ny Andrimpanjakana mijoro, ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ireo Masoivoho vahiny monina eto Madagasikara, ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tokony ary indrindra ny fianakaviamben'ny Foloalindahy malagasy. Nanombohana ny lanonana ny fisafoana ireo andian-tafika notanterahin'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, sady Lehibe faratampon'ny Foloalindahy.

FANKALAZANA NY FAHA 65 TAONA NIVERENAN' NY FAHALEAOVANTENA SY NIJOROAN' NY FOLOALINDAHY MALAGASY
FANKALAZANA NY FAHA 65 TAONA NIVERENAN' NY FAHALEAOVANTENA SY NIJOROAN' NY FOLOALINDAHY MALAGASY
Publie le 27/06/2025 Par 451512 Categorie: Actualités