Manoloana ny tranga tazomoka any amin’ny distrikan’Ikongo, dia nanambara Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Mpitondra tenin'ny Governemanta, MARA Volamiranty Donna , fa efa mandray andraikitra ny Governemanta miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon'antoka sy ireo rafitra samihafa, araka ny toromarika avy amin'Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina. Ao anatin'izany ny :-Fandefasana mpitsabo sy fanafody eny an-toerana.-Fandefasana CVO eny an-toerana.-Fanentanana ny olona hampiasa lay misy ody moka sy tsy hanao dokotera tena ary hanatona tobim-pahasalamana ara-potoana.-Fanaovana asa sosialy sy fanadiovana faobe.-Fanamafisana ny fandriampahalemana eny ifotony.Nanentana hatrany i Ramatoa Minisitra amin'ny fanomezana vaovao marina sy voamarina ary ny fizarana vaovao maripototra.