Ny tantara no tokony ho fototry ny ampinga ho entintsika miady sy ampiakatra avo dia avo ny hambopom-pirenena sy ny hasin’ny fitiava-tanindrazana. Mba ho taranaka mpanorina, sy ho taranaka mpanarina hoy ny Filoha Andry RAJOELINA androany.Natolotry ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin'ny taranany tao Belo sur Tsiribihina sy ny foko Sakalava iray manontolo ny Kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roa lahy niara-dia taminy.Tamin'ny 06 novambra 2020, nandritra ny fitokanana ny Rovan’i Madagasikara, no nilaza am-pahibemaso ny Filoha Andry Rajoelina fa hitaky ny amerenana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera ary izao tanteraka izao.