Nankasitraka manokana ny ezaka ataon’ny fitondra-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina Andriamatoa Edward Christow, mpandrindra maharitra mpisolo toerana eo anivon'ny firenena mikambana na ny Système des Nations Unies, eto Madagasikara.
Noho ny amin’ny fampivoarana ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy, ary ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy vavy eto Madagasikara no anton'izany.
Niarahaba manokana an-dramatoa Mialy R. Rajoelina koa izy amin’ny fanehoany fa “Andry” mafy izy amin’ny ady ho an’ny fanatsarana ny toe-piainan’ny vehivavy sy ny ankizivavy Malagasy.
Hoy ny ampahan’ny kabarin’Andriamatoa Edward Christow tamin’ny teny Frantsay :
“Au nom du système des Nations Unies, je me permets de commencer par adresser mes sincères félicitations au Gouvernement de Madagascar, représenté par son excellence M. Andry Rajoelina, Chef de l’État, pour les progrès accomplis par le pays en matière d'égalité des sexes et de respect et protection des droits des femmes et des filles.
Je voudrais également féliciter Mme Mialy Rajoelina, Première Dame de Madagascar, qui représente une force indéfectible dans la lutte pour l’amélioration des conditions des femmes et des filles malagasy”.