Misy andiana miaramila, mirongo fitaovam-piadiana manambana haka ny fitantanana ny haino aman-jerim-panjakana. Manoloana izany dia nidina any an-toerana ny CEMA, General Pikulas hanelanelana sy handamina ary handray andraikitra manoloana ny zava-misy. Noho ireo antony ireo dia mihemotra aminy 8 ora sasany alina ny fandefasana ny kabarin’ny Filohan’ny Repoblika.