π³ππππβπ π΄ππππππππππ[ππππ-28 πππππππ 2025]Notanterahina androany, teto aminβny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny Filankevitry ny Governemanta voalohany notarihinβny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, taorianβny fanendrena ireo mpikambana vaovao ao aminβny Governemantanβny Fanavaozana ny Repoblikanβi Madagasikara.Ity fivoriana ity no manamarika ny fanombohanβny asa iombonanβny governemanta vaovao, ho fampiharana ny toromarika sy ny vina napetraka ho anβny fanarenana haingana sy fampandrosoana ny firenena. Taminβizany no nanomezanβny Praiminisitra toromarika mikasika ireo toetra tokony hanananβireo Minisitra rehetra ao anatinβity asa fanompoana masina ity. Voalohany aminβizany ny fananganana fanjakana marina, mahomby ary manompo ny vahoaka. Manaraka izany, dia ny fitondrana vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana aminβny ezaka rehetra atao mba hahamafy orina ny fifampitokisana eo aminβny vahoaka sy ny mpitondra. Ary ny farany kosa, dia ny fametrahana fitantanana vaovao mampiaina ny fahitsiana sy ny fahendrena, ny fahamatorana sy ny fahaiza-manao, ary ny tamberinβandraikitra sy ny mangarahara.Teo am-pamaranana dia nohamafisinβny Praiminisitra, Lehibenβny Governemanta, fa ny asa izay hotanterahina dia dingana mizotra mankany aminβny lala-mazava hitarika any aminβny fanavaozana marina, ao anatinβny fanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana, izay soatoavina fototra miisa telo efa nosoritany hananganana indray anβi Madagasikara. Ao aminβny fahamatorana sy ny asa iombonana hoy izy, no hananganantsika indray ny hasinβny firenena.Ny Serasera