๐ณ๐๐๐๐โ๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐[๐ญ๐๐๐-5 ๐๐๐๐๐๐๐๐ 2025] Tontosa soamantsara ny fihaonana ara-pomba fanajana sy feno firahalahiana teo aminโny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, Andriamatoa Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ny Ambasadaoronโny Vondrona Eoropeana, Andriamatoa Roland Kobia.Nifantoka taminโny fivoaranโny zava-misy eto aminโny firenena sy ny ho fizotry ny fiaraha-miasa eo aminโny roa tonta ny fifanakalozana. Nampahafantarinโny Vondrona Eoropeana nandritra izany ny fikasany hanokatra indray ny famatsiam-bola sasany izay voasakana nandritra ny taona maro, sy ny fahavononany hanampy ny governemanta malagasy aminโny sehatra maro toy ny fanatsarana ny fitantanana ara-bola, ny toekarena, ary ny sehatra sรดsialy.Nifanaraka ihany koa ny roa tonta aminโny hanafaiganana ny firosoana avy hatrany aminโireo tetikasa maika toy ny fisitrahana rano fisotro madio, ny jiro sy ny herinaratra, ny fambolena, ary ny fametrahana ireo fotodrafitrasa eny aminโny Oniversite manerana anโi Madagasikara. Nanome toromarika ny Praiminisitra mba hahazoana vokatra haingana ny fifanarahana momba ny fiaraha-miasa ara-toekarena (APE) eo aminโny Vondrona Eoropeana sy ny vondrom-pirenenโi Afrika Atsinanana sy Atsimo (AFOA), misy anโi Madagasikara, Maorisy, Seisely, Zimbaboe ary La Rรฉunion.Raha tsiahivina, dia tsy mbola nahazoana vokatra ireo fifampiraharahana miisa 15 notanterahana teo aminโny Vondrona Eoropeana sy ireo firenena mpikambana ao aminโny AFOA ; ka isanโny tanjonโity dinika vaovao natao ity ny hitadiavana vahaolana hentitra sy fomba mahomby hahatanteraka izany ao anatinโny fotoana voafetra.๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐โ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ Une rencontre cordiale, marquรฉe par un esprit de respect mutuel et de coopรฉration, entre le Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Herintsalama Andriamasy Rajaonarivelo, et lโAmbassadeur de lโUnion europรฉenne, SEM. Roland Kobia sโest dรฉroulรฉe avec succรจs.Les รฉchanges ont portรฉ sur lโรฉvolution de la situation ร Madagascar et sur les perspectives de coopรฉration entre les deux parties. LโUnion europรฉenne a fait part de son intention de dรฉgeler certains financements suspendus depuis plusieurs annรฉes, ainsi que de sa volontรฉ dโappuyer le Gouvernement malagasy dans plusieurs domaines, notamment lโamรฉlioration de la gouvernance financiรจre, le dรฉveloppement รฉconomique et le progrรจs social. Les deux parties ont dรฉcidรฉ dโaccรฉlรฉrer la rรฉalisation des projets prioritaires, notamment lโaccรจs ร lโeau potable, lโรฉlectricitรฉ, le dรฉveloppement agricole et la construction dโinfrastructures universitaires dans tout Madagascar. Le Premier ministre a donnรฉ des instructions pour obtenir rapidement des rรฉsultats concernant lโAccord de partenariat รฉconomique (APE) entre lโUnion europรฉenne et les pays membres de lโOrganisation des รtats dโAfrique de lโEst et de lโAfrique Australe (AFOA), dont Madagascar, Maurice, les Seychelles, le Zimbabwe et La Rรฉunion font partie.Il sied de rappeler que quinze (15) cycles de nรฉgociations ont dรฉjร eu lieu entre lโUnion europรฉenne et les รtats membres de lโAFOA sans aboutir ร des rรฉsultats concrets. Ce nouveau dialogue vise ainsi ร identifier des solutions durables et des mรฉcanismes efficaces pour concrรฉtiser ces accords dans les meilleurs dรฉlais.๐๐ฎ ๐๐ผ๐บ๐บ๐๐ป๐ถ๐ฐ๐ฎ๐๐ถ๐ผ๐ป