Vaovao momba nyπππππππ-ππππ sy Raharahan-tanyΒ© Minisiteranβny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany Ho fanatanterahana ny baiko izay nomenβAtoa Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) mahakasika ny fanatsarana ny asa ary fanamorana ny fanomezana antotan-taratasin-tany, dia nitondra fanampim-panazavana ireo tomponβandraikitra ara-teknika ao aminβny Sampandraharahanβny Fananantany sy Fandrefesantany. 1- Β« Famoahana dika mitovy Β» vita eo no ho eo : - Saritany (plan) : nahena ho 15.000 Ar (raha 20.000 ar izany teo aloha) ; - Fanamarinana fananantany (Certificat de situation juridique) : nahena ho 10.000ar raha 20.000ar izany teo aloha2- Β« Boky sy Saritany rovitra Β» : Maimaim-poana ny famoahana antotantaratasy ho entina eny aminβny fitsarana, manamarina fa rovitra ny boky na ny saritany. 3- Ny Β« vidinβny tanim-panjakana Β» : Araka ny fantatra dia efa misy ny fitsipika mifehy ny Β« fourchette de prix de terrain de lβEtat Β». Koa noraisina ny fampiharana ny vidiny farany ambany aminβny tanim-panjakana mba ho fanamorana ny fahazoanβny malagasy rehetra zo fisitrahana ny taniny. 4- Β« Fampiharana ny mangarahara Β» eo aminβny vola aloa aminβny fikarakarana antotantaratasy fananan-tany sy ny asa fandrefesan-tany : Hisy Β« varavarana misokatra Β» hataonβny Sampandraharahanβny Fananantany sy Fandrefesantany rehetra manerana ny Nosy ny herinandro voalohanβny volana Desambra izao, hampahalalana ny vahoaka mikasika ny asa sy ny toro-lalana mikasika izany.Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ankehitriny ny hisitrahanβny vahoaka Malagasy rehetra ny asanβny Fananantany sy ny Fandrefesantany ao anatinβny fanamorana sy ny mangarahara tanteraka