Nisy ny fanompoam-pivavahana advantista nitondrana hafatra ho an'ny taranaka.
Notanterahina teny amin'ny fiangonana Advantista Soamanandrariny ny sabotsy 22 marsa 2025 ny fotoam-pivavahana ho fitondrana am-bavaka ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 mars 1947.
Nandritra izany dia nisy ny vavaka nasandratra ho fangataham-pitahiana sy fitsofan-drano ho an'ny firenena ho entina manamarika izao faha-78 taonan'ny 29 marsa 1947 izao. Nifantoka tanteraka tamin'ny tara-kevitra " tolom-panafahana, fanilo miampita ho an'ny taranaka " ihany koa ny toriteny novoizina nandritra izany mba ho tena tafapaka ao am-pon'ny Malagasy ny fitiavan-tanindrazana nimatimatesan'ireo mpiady tia tanindrazana.