Miara-miatrika sy manao fanavotana ireo mpiray tanindrazana misedra ny mafy any an-toerana ny delegasiona avy amin’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝑵𝒚 Kolonely 𝑹𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑰𝑹𝑰𝑵𝑨 Michael mivady, izay efa tonga tany Toamasina andro vitsy mialohan’ny fahatongan’ny rivodoza, hitarika ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny rivodoza miaraka amin’ireo tomponandraikitra samihafa.Maro ny fahapotehana, maro no simba fananana, maro ny vahoaka traboina ka am-perinasa avy hatrany ny Fanjakana malagasy miaraka mifarimbona manampy ny mpiray tanindrazana sy manao ireo asa fanarenana maika mba hamerenana haingana ny fiainana andavanandron’ny vahoaka. Etsy andaniny dia tsy mikely soroka ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 amin’ny alalan’ireo 𝙧𝙖𝙣𝙩𝙨𝙖𝙢𝙖𝙣𝙜𝙖𝙞𝙠𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙝𝙖𝙞𝙣𝙤 𝙖𝙢𝙖𝙣-𝙟𝙚𝙧𝙞𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 eny anivon’ny distrika maro, ary koa miaraka amin’ireo 𝙝𝙖𝙞𝙣𝙤 𝙖𝙢𝙖𝙣-𝙟𝙚𝙧𝙮 𝙩𝙨𝙮 𝙢𝙞𝙖𝙣𝙠𝙞𝙣𝙖 maro, miara-mientana amin’ny fanomezana vaovao haingana sy fampitana tsy tapaka ny vaovao amin’ny fivoaran’ny zava-misy mba hanampiana ny mpiray tanindrazana sy hanamorana ny asan’ireo tomponandraikitra manao ny asa famonjena.Entanina hatrany ny rehetra samy hitandrina, samy ho mailo ka 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙩𝙖𝙥𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙧𝙤-𝙢𝙖𝙧𝙞𝙠𝙖 ofisialy omen’ireo tomponandraikitra, ary indrindra hifanampy ao anatin’ny fiatrehana ity rivodoza Gezani ity, izay fantatra fa efa niha-nihena miandalana ny heriny nanomboka tamin’ny 7 ora maraina teo tany amin’ny faritry ny distrikan’Ankazobe; saingy mbola mitoetra hatrany kosa ny filazana fiomanana hoan’ireo distrika sasany toy ny ao 𝗕𝗼𝗻𝗴𝗼𝗹𝗮𝘃𝗮, 𝗜𝘁𝗮𝘀𝘆, 𝗩𝗮𝗸𝗶𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮, 𝗠𝗲𝗹𝗮𝗸𝘆, ary 𝗠𝗲𝗻𝗮𝗯𝗲 izay ao anatin’ny Filazana 𝙇𝙤𝙯𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙢𝙗𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙡𝙤𝙠𝙤 𝙢𝙖𝙫𝙤, midika fiomanana mialohan’ny fahatongavan’ny rivodoza.𝑴𝒂𝒏𝒌𝒂𝒉𝒆𝒓𝒚 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒎𝒑𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂.