๐ณ๐๐๐๐'๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐[๐ญ๐๐๐-24 ๐๐๐๐ 2025]Andro faharoa sady fanokafana ara-pomba รดfisialy ny fihaonana an-tampony momba ny fandraharahana eo amin'i Etazonia sy Afrika, andiany faha-17, eto Luanda Renivohitr'i Angola androany. Araka ny efa notaterina teto, dia manatrika izany aty an-toerana, misolo tena ny Filohanโny Repoblika Andry Rajoelina ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian. Filoham-panjakana, Lehiben'ny Governemanta, tomponandraiki-panjakana ambony samihafa, sy mpampiasa vola avy amin'ny sehatra tsy miankina afrikana sy amerikana, ary manam-pahaizana maro samihafa no mandray anjara amin'ity fihaonana ity. ๐Nisy ireo adihevitra anaty โpanelsโ maro mifantoka aminโny fifampizarana traikefa sy paikady mahomby eo aminโny fitrandrahana harena an-kibonโny tany; fa indrindra ireo akora manan-danja stratejika, toy izany koa ny fitantanana mahomby, ary ny fandraisana andraikitry ny fanjakana mba hampivelatra ny fandraharahana. Nametraka mazava ny toeranโi Madagasikara araka ny vinanโny Filohanโny Repoblika ny Praiminisitra nandritra ny famelabelarana nataony. Notanisainy tamin'izany ireo dingana rehetra ataon'ny fitondram-panjakana malagasy amin'ny fampiroboroboana ny indostria, ny fampiodinana ny toekarana, ny fanomezana lanja ny harena an-kibonโny tany ahafahana misarika ireo mpampiasa vola eo amin'ny sehatra tsy miankina nasiรดnaly sy vahiny, ny famoronana asa, ny fampitomboana ny sanda fanampiny aminโireo loharanon-karena voajanahary eto aminโny firenena aminโny alalanโny fanodinana sy ny famoronana asa famokarana, ny fampandrosoana ireo Faritra nananganana tetikasa maro.Taminโizany no nanamafisany, fa mijoro hatrany ny fitondram-panjakana malagasy manoloana ireo fanamby mipetraka maneran-tany eo amin'ny tontolon'ny harena an-kibonโny tany sy ny fitantanana maharitra azy ireny; ary koa ny fijerena ny maha olona, indrindra amin'ny ezaka rehetra hanamafisana ny fiaraha-miasa manasongadina izany eo aminโny sehatra iraisampirenena.๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ