π³ππππ'π π΄ππππππππππ[ππππ-24 πππππ 2025]Noraisinβny Praiminisitra, Lehibenβny Governemanta Ntsay Christian, teto aminβny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany atoandro, Andriamatoa QU Dongyu, Tale Jeneralinβny Fikambanana iraisampirenena misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) avy any Roma sy ny delegasiaona notarihiny. Nanatrika ny fihaonana koa ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa HAJARISON FranΓ§ois Sergio.Nisongadina nandritra ny dinika ny hanatsarana bebe kokoa ny fiaraha-miasa ho aminβny fahavitantena ara-tsakafo eto amintsika. Nanamafy ny Praiminisitra, fa ilaina ny fametrahana fomba fiasa stratejika mahomby miaraka aminβny FAO, mba ahitana vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana aminβny sehatra marolafy, toy ny fanitarana ny tany ambolena aminβny alalanβny fanondrahana, ny fahaizana mifehy sy mametraka rafi-pamokarana matanjaka, ny famokarana masomboly sy zezika voafantina sy ambony kalitao eto an-toerana, ary ny fampiakarana ny taham-pamokarana; ka hiteraka fidiram-bola misimisy kokoa ho anβny tantsaha sy ny mponina eny aminβny tontolo ambanivohitra.Nanambara moa ny Tale Jeneralinβny FAO, fa vonona izy hanamafy sy hanitatra ny fiaraha-miasa aminβi Madagasikara, ka hampifanaraka izany aminβny Politika Ankapobenβny Fanjakana sy ireo laharampahamehana napetraky ny Filohanβny Repoblika Andry Rajoelina.ππ² πππ«ππ¬ππ«π