Actualités > NY 24 OKTOBRA 2025 FANDRAISANA VOALOH...

NY 24 OKTOBRA 2025 FANDRAISANA VOALOHANY IREO VONDRONA DIPLOMATIKA .

Noraisin’i kolonely Michaël RANDRIANIRINA, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, androany teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny solontenan’ ireo Masoivoho vahiny mipetraka sy monina eto Madagasikara.Ity fihaonana ity, izay niompana tamin’ny fifampiresahana, ny fametrahana ny fangaraharana ary ny fiaraha-miasa, dia nahafahan’ny Filohan’ny Fanavaozana nizara ny hafatra fototra sy ny laharam-pahamehana amin’ny Fanavaozana, izay narafitra manodidina ny andry enina :• Ny fisitrahan’ny rehetra angovo, indrindra ny angovo azo havaozina ;• Ny fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana ;• Ny fitsaboana manaraka fenitra ho an'ny rehetra ;• Ny fanabeazana sitrahan'ny rehetra sy ara-drariny ;• Ny famoronana asa ho an’ny tanora ;• Ny fanavaozana ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka.Nohamafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny hetahetan’ny vahoaka hametrahana ny Fanjakana tan-dalàna, ny rariny ara-tsosialy, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampandrosoana maharitra ary ny fametrahana ny vahoaka ho ivon’ny hetsika rehetra.Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM

NY 24 OKTOBRA 2025 FANDRAISANA VOALOHANY IREO VONDRONA DIPLOMATIKA .
NY 24 OKTOBRA 2025 FANDRAISANA VOALOHANY IREO VONDRONA DIPLOMATIKA .
NY 24 OKTOBRA 2025 FANDRAISANA VOALOHANY IREO VONDRONA DIPLOMATIKA .
NY 24 OKTOBRA 2025 FANDRAISANA VOALOHANY IREO VONDRONA DIPLOMATIKA .
NY 24 OKTOBRA 2025 FANDRAISANA VOALOHANY IREO VONDRONA DIPLOMATIKA .
NY 24 OKTOBRA 2025 FANDRAISANA VOALOHANY IREO VONDRONA DIPLOMATIKA .
Publie le 26/10/2025 Par 451512 Categorie: Actualités