Nisy tamin’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha, izay efa nesorina tamin’izany andraikitra izany, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 29 oktobra 2025 sy 05 novambra 2025, no mbola mampiasa sy mitazona fitaovam-panjakana : fiara sy fitaovana fampitan-davitra sy ara-kajimirindra.Koa atao izao ranty izao mba ho fampahafantarana azy ireo ny tokony hamerenany izany ao anatin’ny 48 ora ao aorian’ny famoahana izao fampahafantarana izao.Dilan’io fe-potoana io dia handray ny fepetra amin’ny fanenjehana ireo izay voakasik’izany noho ny fanodinkodinana fananam-panjakana ny eto anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM